Fifamoivoizana

Fitaterana Hisokatra manomboka rahampitso ny RN5


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Nisy ny fepetra manan-kery mandritra ny 15 andro noraisaina taorian'ny fivorian'ny CRCO Analanjirofo ny 24 aogositra 2020,

 

 

 

manaraka ny baiko CCO. Hisokatra manomboka rahampitso 27 aogositra ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy ny Faritra Analanjirofo amin'i Toamasina. Tsy maintsy fafazana ranom-panafody any amin'ny “Blig” avokoa isaky ny handeha ny fiara fitaterana. Tsy maintsy ahitana gel desinfectant avokoa ary ferana ho 3/3 ihany ny fipetrahana, natao ho 14 000 ar ny saran-dàlana Tamatave-Fenoarivo. Hamafisina ny fanaovana arovava-orona ho an'ny olona tsy an-kanavaka , mihatra avy hatrany ny sazy an-terivozona. Hamafisina ihany koa ny famendrahana ireo toerana hivezivezen'olona sy ny fanajana ny elanelana 1 metatra. Raràna ny famoriam-bahoaka mihoatry ny 50. Mbola mikatona ireo toeram-panatanjahan-tena rehetra sy fifaninanana ara-panatanjahan-tena. Mitohy ny "Couvre feu" manomboka amin'ny 10 ora alina ka hatramin'ny 4 ora maraina. Misokatra ireo trano fisakafoanana fa manaja ny fepetra. Miverina miasa ireo mpiasam-panjakana rehetra ankoatran'ireo marefo voamarina. Misokatra ny toeram-pivavahana fa tsy maintsy manaja ireo fepetra. Misokatra aorian'ny sabotsy 29 aogositra kosa ny zotra an-dranomasina ary tsy maintsy manaraka ireo fepetra mahakasika ny famerana ny isa tsy mihoatry ny 50 kosa. ( raha sambo manana rihana dia 50 isaky ny rihana ihany). Afaka mitondra razana mivoaka ihany koa raha ohatra ka voamarina fa tsy covid 19 no nahafaty ilay olona.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT