Fitaterana

Hampidina saran-dàlana ny zotra nasionaly sy rezionaly…


  • Zoma 24 Janoary 2025

Hidina avokoa ny saran-dalan’ireo taxi-brousse mivondrona ao anatin’ny zotra nasionaly sy rezionaly

miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eny amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana sy Maki Andohatapenaka manomboka amin’io herinandro ho avy io. Noho ny fidinan’ny vidin-tsolika raha ny nambaran-dRandriamparany Martin, filohan’ny KMMFT no antony nandraisan’izy ireo izany fanapahan-kevitra izany izay 200 Ar isaky ny litatra ho an’ny lasantsy raha tsiahivina raha 140 Ar kosa ny an’ny gazoala. Na izany aza anefa dia notsindriany fa tsy hitovy io fidinan’ny saran-dalana io. Samy hanana ny azy ny koperativa isanisany izay hoapetraka amin’ny alalan’ny peta-drindrina mba ho hitan’ny besinimaro. Nomarihin-dRandriamparany Martin moa fa tsy hijanona amin’izao anefa io fampidinana saran-dalana io. Raha vantany vao mihetsika indray mantsy ny vidin-tsolika dia hisy indray ny fepetra horaisin’izy ireo mifandraika amin’izany.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nivory omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT