Fitaterana eto Renivohitra

Manambana hampiakatra saran-dàlana 800Ar ny UCTU


  • Zoma 05 Janoary 2024

Mikasa ny hampiakatra ny saran-dalana ho 800 ariary ny Vondron’ny

mpitatitra an-tanàn-dehibe UCTU (Union des coopératives de transports urbains) taorian'ny fiakaran'ny saran'ny fitsirihana ara-tekinika ny fiara eo anivon'ny DGSR (direction générale de la sécurité routière) nanomboka ny 01 janoary 2024 teo. Hisy ny fivoriambe hotanterahin'izy ireo amin'ny talata ho avy izao raha ny nambaran'ny filohan'ny UCTU Lova Randrianatoandro, araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly. "800 ariary no hotazoninay raha misy ny fisondrotana. Izay no hatolotry ny mpitatitra fa tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra ary anjaran'ny fivoriambe no mandray fanapahan-kevitra," hoy hatrany ny fanazavan'ny filohan'ny UCTU. Ny taona 2023 no efa nanambara ny hampiakatra 800Ar ny saran-dàlana ny mpitatitra noho ny fanambaran’ny DGSR hampiakatra ny saran’ny fitsirihana ara-teknika, saingy nisy ny fihemorana noho ny fanemorana ny fampiharana an’io, vokatry ny fifampiresahana teo amin’ireo mpisehatra nahitana ny Fiadidian’ny tanànan’Antananarivo, Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Efa nampifanditra ny Fanjakana sy ny mpitatitra taorian’ny 11 jolay 2022 moa ny fiakaran’ny vidin-tsolika 1500Ar isaky ny litatra ho an’ny gazoala, ary 1800Ar kosa ho an’ny lasantsy. Tamin’io no nisian’ny fanapahan-kevitry ny mpitatitra nampiakatra ho 800Ar, izay efa nisy ny nampihatra, tao ny nanao 700Ar, saingy raikitra ny fampitahorana sy fanenjehana avy amin’ny Fanjakana, ka nijanona ho 600Ar ihany no niafarany, ka mba afaka nisento kely ny mpandeha, raha toa ka sosotra ny taksibe fa tsy afa-nanoatra. Ny fampidirana bus maoderina 1000 no mba hany vahaolana hitan’ny Fanjakana, nolazaina ho tonga alohan’ny faran’ny taona 2022, saingy tsy hita izay nalehany, tsy resy lahatra ihany koa ny mpandraharahan’ny fitaterana hoe : tena io ve ny vahaolana ? Mbola ambana hafa ny mety hiakaran’ny vidin-tsolika amin’izao fiandohan’ny taona 2024, izay mety hanampy trotraka ny fitakiana saran-dàlana.
TAKSIBE 800AR AZA MANAHIRANA MAINKA FA TELEFERIKA 4000AR ?
Saran-dàlana 600Ar hiakatra ho 800Ar aza mampikolay ny vahoaka noho ny fahasahiranana, ny fidangan’ny vidim-piainana na « inflation » izay tena mafy ho an’ny sarambabem-bahoaka. Vao miakatra anefa ny saran-dàlana dia vao mainka hiantraika amin’ny vidim-piainana, ary tsy hoe : raha miakatra dia eto an-dRenivohitra ihany fa mety ny rehetra. Andrasana ny saran’ny train urbain izay fitaterana ho avy. Io saran’ny taksibe io aza manahirana ka tena vahaolana ve ny teleferika manodidina ny 4000Ar isaky ny mitaingina ? Tsy ratsy ny teleferika fa tena ho zakan’ny rehetra ve kanefa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy ny fitrosana 150 tapitrisa euros mahery? Azo heritreretina ve ny hisiana mpandeha teleferika 40000 isan’andro araka ny vinavina mandeha ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT