Fitaterana eto Madagasikara

Miha gaboraraka noho ny fandikan-dalàna sy tsy fitandremana


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Mitombo isa be ny lozam-pifamoivoizana amina faritra maro eto

Madagasikarana an-tanan-dehibe io na eny amin’ny lalampirenena. Fiara mifandona, fiara sy moto mifandona, fiara mandona olona, fiara latsaka amin’ny tetezana na any anaty hantsana ; fiara nifampisongona dia tafavoaka ny lalana. Rehefa nodinihina ny tranga marmaro nifanesy dia avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily, na raha tsorina dia tsy fanajana ny lalàna miehy ny fifamoivoizana sy ny olana teknika amin’ny fiara no anton’ireo loza. Zavatra mahagaga ihany satria tsy maintsy mianatra mamily fiara sy mianatra code de la route vao afaka manao fanadinana mba hahazoana ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia na ny permisy de conduire. Ny fiara ihany koa , indrindra ny fitateram-bahoaka toa ny taxi, taxibe, taxibrousse dia tsy maintsy vita fitsirihana teknika tsara, milamina tsara daholo ny taratasy ary hentitra kokoa aza ny fitsirihana tampoka ataon’ny ATT. Fa mahatalanjona hoe mbola mitranga ihany ny loza noho ny olana teknika toa ny hoe tapaka frein, tapaka direction, tapaka ny transmission. Ka inona izany no tena zava-misy marina ? Mazava be fa misy ny kolikoly dia ny mpandeha no mizaka ny vokadratsiny ; tsy araka ny tokony ho izy ny fanarahamaso, miha gaboraraka isan’andro ny sehatry ny fitaterana ka io mitera-doza io sady mamono olona,mamela takaitra, manimba fananana. Raha misy zavatra tena mila fanamboarana sy fandainana be eto Madagasikara dia anisany ny sehatry ny fitaterana. Ary tokony hamafisina ny ady amin’ny kolikoly, tohizana mandava-taona ny ezaka fa tsy rehefa misy lozam-pifamoivoizana mahatsiravina vao mody manara-maso hentitra mandritra ny 2 herinandro.Dila izay dia miverina amin’ny laonina indray ny gaboraraka. Tsy hisy fandrosoana ao anatin’ny samy maka ho azy sy ny tsy fanajana fitsipika izany mihitsy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT