Fifamoivoizana

Fitaterana eto Antananarivo “Tsy ho foana intsony ny taxi-moto”


  • Alakamisy 09 Septambra 2021

300 ny taxi-moto eto Antananarivo raha kely, tsy ho foana intsony io ary tsy maintsy hiasa na ao anatin’ny tsy ara-dalàna aza, hoy izy ireo.

 Nilaza tamin’ny fampahalalam-baovao Atoa Tsiritiana izay mpitarika ny fikambanan’ny taxi-moto omaly, fa mifankafantatra daholo ary efa samy manana ny mpanjifany, dia miasa izy ary tsy ho foana intsony. Rehefa tsy mivoaka anefa ilay fahazoan-dàlana dia sarotra ny hifehy io sehatra io ka atahorana hiroborobo sy ho gaboraraka. “Manana vina handrindrana izany izahay fikambanan’ny Taxi-moto saingy tsy noraisin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ny tolo-kevitray. Manao antso avo ho an’ny olom-boafidy, mpitantana, fitondram-panjakana ny fikambanan’ny Taxi-moto ny mba hamerenana handinihana ny tolo-kevitray”, hoy ny taxi-moto. Tsy ho foana eto Antananarivo intsony izany ny “taxi-moto” fa hanao izay tiany taorian’ny nandavan’ny maro an’isa tao anatin’ny filankevitra monisipaly. Tsiahivina fa mpanolontsaina monisipaly 49 tamin’ny 54 nandatsa-bato no nitsipaka ny taxi-moto. Miziriziry izany izy ireo, fa rehefa nangataka hampidirina ho ara-dalàna ka tsy nekena dia hanohy ny tsy maha ara-dalàna azy. Adihevitra be io indrindra amin’izao resaka krizy amin’ny tsy fananan’asa izao. Na izany aza, raha samy hanao toy izany daholo ny rehetra, afaka hanao izay tiany,… dia inona no hiafaran’ity firenena sy fiarahamointsika ity ?


Hanampy ny vahoaka no antom-pisianay fa tsy sanatria hamono ny vahoaka akory. Io no nambaran’ny birao nasionalin'ny taxi moto manerana an’i Madagasikara izay tarihin’ny filoha nasionaliny Tsiritiana.Famoronan’asa ny taxi-moto fa tsy sanatria fiomparana ny hafa, hoy izy.
Legende: Atoa Tsiritiana mpitarika ny fikambanan’ny Taxi moto
Toky R sy Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT