Fifamoivoizana

Fitaterana eto Antananarivo Mikorontana tanteraka


  • Talata 11 Septambra 2018

Nametra-pialana omaly ny filoha lefitry ny fivondronan’ny zotra eto an-drenivohitra UCTU, Atoa Jean Louis Emile Rakotonirina. Raha tsiahivina,

 

 

 tsy nilamina mihitsy ny olana misy tamin’ny UCTU tao ho ao ary niteraka fanehoan-kevitra maro. Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny fitokonan’ny sasany tamin’ireo mpitatitra tamin’ny koperativa sasany izay tena nanohintohina ny fanadinana BEPC ary nampitaintaina ny ray aman-dreny. Tsikaritra ihany koa ny fampiakarana ny saran-dalana amin’ny zotra sasany miasa eto Antananarivo. Maro ireo zotra efa mampiakatra ho 500ar ny saran-dalana amin’ireo zotra mifamezivezy eto an-drenivohitra amin’izao fotoana. Misy aza moa ny tsy mandray intsony ny saran-dalana tapa-dalana ary nitazona saran-dalana tokana ho 400 Ar. Voakasik’izany ny koperativa Tselatra izay tantanin’ity filoha lefitry ny UCTU ity. Misavoritaka tanteraka amin’izao fotoana ny fitaterana eto Antananarivo, ny fanjakana koa moa malemy tsy mandray andraikitra, hany ka ny vahoaka hatrany no mizaka ny tsy eran’ny aina

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT