Fifamoivoizana

Fitaterana eto Antananarivo Fiara miisa 133 naiditra « fourrière »


  • Talata 11 Febroary 2020

Nisy ny fitsirihana tampoka « Opération contrôle inopiné » nataon’ny DGSR (Diréction Générale de la Sécurité Routière) teto Antananarivo sy ny manodidina ny 3-9 febroary 2020.

 

 

 

 Miisa 2309, ka ny 736 tamin’ireo no tsy tomombana. Nahatratra  133 ny nampidirina ambalam-pamonjana (vehicule mis en fourriere). 13 nahazo fampitandremana, (Immobilisation),  28 ireo fiaram-panjakana nosavaina (vehicule administratif controle) ;  fiaram-panjakana 19 tsy nahitana fitsirihana ara-teknika. Marihina fa nizara ho ekipa enina (06) izay nifampizara manerana ny boriborintany (06) misy eto Antananarivo no nanatanteraka ny asa izay samy nahitana manamboninahitra, mpitsara fiarakodia, mpamily sady sekretera ary zandary hafa avy ao amin’ny Toby Ratsimandrava. Tsy nikely soroka ireto tompon’andraikitra ireto fa samy nandray ny andraikiny avy ka nahazoana ireo vokatra ireo. Hitohy hatrany izao hetsika izao fa tsy hijanona hatreo ary anentanana antsika tompona fiara rehetra hitondra sy hikarakara ny fiarany hatrany mba hisorohana amin’ireo loza mety hitranga.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT