Fifamoivoizana

Fitaterana eto Antananarivo 30 taona tsy voavaha ny olan’ny fisisihana « bus »


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Mampiteny ny moana, mahakivy sy mahavalaketraka, manampy trotraka ny fahasahiranam-bahoaka ny filaharana taksibe eto Antananarivo rehefa hariva firavan’ny mpiasa.

 Tamin’ity herinandro ity, dia lasibatra ihany koa ny mpanala Bakalorea. Toa zary efa lasa fiainana andavanandro io kanefa ny aina reraka ny asa, mbola hisika taksibe, mety ho lasibatry ny mpangarom-paosy,… Miraviravy tànana ireo rehetra manana andraikitra ao anatiny. Efa ho 30 taona ve dia tsy ahitam-bahaolana mihitsy? Taorian’ny taona 1991 no nanomboka io filaharana sy “bus” tsisy amin’ny hariva io, hoy ny raim-pianakaviana iray. Ny olona eto an-drenivohitra mitombo hatrany, ny taksibe azo lazaina fa betsaka ihany koa, ary isan’ny antony mahamafy ny fitohanana, izay mbola olana hafa ihany koa. Ny tena lesoka goavana dia ilay fandaminana no tsy mamely, samy maka ho azy,… Manjaka ny gaboraraka, indrindra rehefa hariva. Betsaka ny miodina an-dàlana tsy tonga any amin’ny farany intsony, ao ny manivana mpandeha, misy ny amin’ny 6ora hariva dia milaza fa tsy tonga any amin’ny farany intsony, raha toa ka amin’ny 8 ora alina ny voalazan’ny Bokin’andraikitra,... Ny Koperativa toa natao ho mpanangom-bola sy mpitaky “participation” fotsiny amin’ny ankampobeny, ka tsy miditra firy amin’izay fandaminana any. Ny mpiasa manao izay tiany hahazoana vola sy hanarenana ny mety tsy fisian’ny olona ny atoandro, dia manao ny ataony ny hariva. Matetika tsy misy karama isam-bolana izany, fa mila manenjika “versement”, ka izay mety ho tombony kely eo no hifampizaran’ny mpamily sy ny mpanampy azy. Rehefa tsy miasa dia tsy mihinana, rehefa tsy misy mpandeha dia tsy mihinana,… Tsy misy resaka fampanarahan-dalàna hoe: fandoavana CNaPS sy OSTIE izany, tsy misy resaka zon’olombelona sy lalàna mifehy ny asa izany, fa rehefa misy tsy mahafa-po ny mpampiasa dia azony roahana anio dia anio raha izay no tiany,… Tsy sanatria manome vahana na manome rariny ireo mpamily sy reseverana taksibe, fa maro ny zavatra mila arindra sy jerena ifotony amin’io. Izao aza tsy hifankahitana ny fisisihana taksibe, ka mainka fa rehefa miditra eo ny mpianatra, ho avy koa atsy ho atsy ny fahavaratra,… Mila fandinihana lalina sy vahaolana matotra sy mahomby.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT