Fitaterana eto amin’ny

Faritr’Antananarivo Napetraka ny rafi-panovana sy fanatsarana


  • Talata 13 Aogositra 2024

Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony amin’ny ankapobeny ny fitaterana eto an-drenivohitra.

Samy manao ny hataony avokoa ny tsirairay toy ny mpitondra fiarakodia, ny moto, ny bisikileta ….Nikaondoha nitady vahaolana mifandraika amin’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny omaly Alatsinainy 12 Aogositra nahitana ny solontenan'ny mpanjifa, ny solontenan'ny koperativa vitsivitsy, ny solontenan'ny mpitatitra amin'ny lalam-pirenena miditra sy mivoaka an'Antananarivo. Toraka izany koa ny rantsa-mangaikan'ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Tapaka nandritra izany fa hapetraka ny rafi-panovana sy fanatsarana. Ho an’ny zandarimariam-pirenena manokana dia ny (BSR na BPR na motard) irery ihany no manakana sy misava fiara eny amin'ny lalam-pirenena na lalana provinsialy ary manao fanamiana miavaka izy ireny. Ireo BPR ireo ihany no tokony hanao polisin’ny lalana sy eny amin’ny barazy.Ireo zandary miasa amin'ny borigady manamorona ny lalàna kosa dia baiko manokana na fisavàna tampoka fiara mampiahiahy irery ihany no hataony. Ho an’ny mpitatitra indray dia tsy maintsy manaja ny voalazan'ny bokin'andraikitra izy ireny. Manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fitsipiky ny koperativa misy azy koa….Nosokafana ny tambazotram-pifandraisan' ny zandary/koperativa/ATT mba ahafahana mandray fitarainana sy fitorohana.Afaka mifandray amin'ny Kolonely Kaomandin'ny CIRGN Antananarivo (WhatsApp : 0340570094) ireo mahita tranga kolikoly miaraka amin'ny porofo marim-pototra (daty sy ora, toerana, sary raha misy).
Pati
Legende : Milamina ny fifamoivoizana rehefa voaraha-maso tsara tahaka izao ny fiara fitateram-bahoaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT