Fifamoivoizana

Fitaterana eny Atsimondrano Hiaraka handray fepetra ny kaominina rehetra


  • Talata 12 Septambra 2017

Miara-mizaka ny olana ateraky ny asa fitateram-bahoaka eto amintsika avokoa amin’izao fotoana ny kaominina rehetra.

Tafiditra ao anatin’izany ny fihodinana an-dalana, ny fanaovana tapa-dalana na dia tsy nifanarahana niaraka tamin’ny koperativa ao anatin’ny bokin’andraikitra aza. Ho an’ny mponina eny Itaosy manokana dia efa tandra vadin-koditra io. Betsaka ireo tsy afaka mamonjy asa eto an-drenivohitra raha tsy mandoa saran-dalana 400 Ar in-droa, mahatratra in-telo rehefa hody amin’ny hariva noho ny familafilana hataon’ireo taksibe. Fantatra ary fa handray fepetra ireo kaominina miisa fito eny an-toerana toy ny kaominina Itaosy izay lalovan’ny zotra KOMIFI sy ny zotra 133. Nambaran’ny Ben’ny tanàna Randrianarisoa Jean Richard fa hisy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny koperativa sy ny mpitandro ny filaminana hisian’ny fifampitaizana. Aminy, tsy ny fanasaziana no zava-dehibe fa ny fahaizana miara-monina ao anatin’ny fanajana ny lalana napetraka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT