Fifamoivoizana

Fitaterana eny Alasora Tafakatra 1000 Ar ny saran-dalana


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Mahatsiaro sahirana avokoa ny rehetra taorian'ny niakaran'ny vidin-tsolika. Niakatra ihany koa mantsy ny saran-dalana ary samy manao izay danin'ny kibony avokoa ireo taxibe.

Ho an'ny kaominina Alasora manokana dia fantatra fa tafakatra 1000 Ar ny saran-dalana miazo ny Fokontany Ambohitanety raha 600 Ar. Mahatratra 1200 Ar kosa ny miazo an'Antangirika. Lasa 700 Ar na 800 Ar kosa ny miainga eo Ambohijato miazo an'Alasora raha 500 Ar teo aloha. Velon-taraina manoloana izany fiakaran'ny saran-dalana mihoampampana ao Alasora izany ireo mponina ao an-toerana ka nandray ny andraikitra tandrify azy ny kaominina tarihin'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy. Hisy araka izany ny fampihaonana ireo mpitatitra eo anivon'ny zotra « suburbaine » F sy I miasa eny an-toerana amin'ireo vahoaka mpisitraka mba hiaraha-mitady sy marimaritra iraisana hitsinjovana ny rehetra. Eny amin'ny kianja maitson'Alasora no hanatanterahana io fihaonan'ny roa tonta io amin'ny Sabotsy 23 jolay ho avy izao. Koa hirariana hoy ny Ben'ny tananan'Alasora ny hisian'ny fehin.kevitra sy fanapahan-kevitra tapaka tsy mamono ny andaniny no sady tsy mahafaty ny ankilany.
Pati
Legende: Hitadiavam-bahaolana ny saran-dalan'ny taxibe miazo an'Alasora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT