Fitaterana ao anatin’ny fety

Hametraka ny « bus de nuit » ny UCTU


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Maro ireo hetsika samihafa eto an-drenivohitra mandritra izao fankalazana ny fetin’ny Noely

sy ny faran’ny taona izao. Lohalaharana amin’ireny ny fijerena jiro etsy Ambohijatovo izay mahaliana ny maro tokoa indrindra fa ny mpianakavy. Mba ho fanampiana ireny karazan’olona ireny ary dia fantatra fa hametraka ny Bus de nuit ny vondron’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra na ny UCTU ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Raha amin’ny 05 ora maraina ka hatramin’ny 08 ora alina no fotoana tokony hiasan’izy ireny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra dia hiasa manomboka amin’ny 08 ora alina kosa ireo bus de nuit ireo, hifarana amin’ny 12 ora alina. Izy ireo ihany no hamaritra ny saram-pitaterana fa tsy mitovy amin’ny andro atoandro hoy ny vaovao voaray. Hatramin’ny datin’ny 05 Janoary moa no hisian’ity bus de nuit ity ka anisan’ny tanjona ny hampifaly sy hampiala voly ny mponina mandritra ny fety. Eo ihany koa ny fiarovana ny ain’ireto farany manoloana ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny.
Pati
Legende : Hiasa alina ireo taxibe eto an-drenivohitra mandritra sy aorian’ny fety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT