Fitaterana an’habakabaka

Nakarina ny saran’ny sidina anatin’ny Tsaradia


  • Zoma 05 Aprily 2024

Misedra olana hatrany ny kaompania an’habakabaka Malagasy.

Efa maty sy levona ka tsy misy intsony ny sidina iraisam-pirenena, saingy ny hany sisa tsy levona ato anatiny ihany koa dia mbola misedra olana. Misy fiakarany ankehitriny ny tapakilan’ny Madagasacar Airlines amin’ny alalan’ny Tsaradia izay manao ny sidina anatiny, raha ny vaovao niparitaka hatry ny omaly. Ho an’ny sidina Antananarivo-Nosy Be ohatra, dia manomboka amin’ny 904 500Ar raha toa ka nanomboka tamin’ny 511 200Ar teo aloha, izany hoe: manodidina ny 400 000Ar be izao ny fiakarana. Ny sidina makany Sainte Marie kosa manomboka amin’ny 716 300Ar raha toa ka 511 200Ar teo aloha, izany hoe: niakatra manodidina ny 200 000Ar. Isan’ny antony ny fiakarana 60% ny haba alaina momba ny sisin-tany. Fanarenana ilay orinasa no mety tanjon, kanefa mazava ho azy, fa misy fiantraikany amin’ireo mpandraharaha sy mpisehatra samihafa mila fitaterana an’habakabaka ato anatiny, toy ny sehatra ara-pizahantany io. Ny Tsaradia izay tsy manana afa-tsy fiaramanidina ATR ampiasaina tamin’ireo 5 nofaina sisa nihangana, rehefa maty tanteraka noho ny tsy fahaiza-mitantana ny Air Madagascar. Zara raha misy an’ireo fiaramanidina 2 ireo, kanefa manodidina ny 800 ny mpiasa, izay mbola loza mandindona amin’ny maha olona. Vizana tanteraka niainga tany amin’ny fividianana Airbus roa efa maty kapoka tamin’ny tetezamita izay isika indray no mbola nitakian’ny Frantsay vola an-jatony tapitrisa dolara, kanefa zavatra zara raha nisidina dia tsy rava ny tsena. Bokan-trosa tanteraka izay nahatratra 80 tapitrisa dolara, ary ny Madagascar Airlines aza dia nanara-dia an’io. Izao misisika eto ny Kaompania vahiny, raha tsy hilaza afatsy ny nanaovana pi-maso ny arabo. Ara-toekarena dia voasokajy ho “régulateur de prix” ny Air Madagascar satria ny kaompania nasionaly no lasa arahana amin’ny saran’ny sidina mba tsy hidangana be, fa amin’izao tena manao izay tiany ireo kaompania vahiny. Tsy tena misy vahaolana mahomby noraisin’ny Fanjakana, ka na ireo fampanantenana maro aza nijanona ho poakaty, toy ny nilazana telo taona lasa fa efa amboarina ireo Airbus roa hanao ny sidina lavitr’ezaka, hividy fiaramanidina embrayeur,… Ny 13 martsa, nisy ny fanomezana alalana ny Minisiteran’ny toearena sy ny fitantanam-bola nolaniana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra handeha antoka na «garanties souveraines » amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny fifanarahana fampanofana fiaramanidina miisa 2 vaovao hampiasain’ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines avy amin’ny orinasa ACIA Aero Leasing. Nambara fa ity fifanarahana ity dia hahafahana mamita ny fifanarahana fampanofana alohan’ny fanasoniavana azy. Asa hanao ahoana io. Manofa hatrany aloha ny vahaolana ka anaran-tsy very sisa ilay Air Madagascar fahiny, izay kaompania nanana ny naha izy azy taty Afrika sy naneran-tany, ary tena tandindon’ny firenena saingy indrisy! Izao ve ilay hoe: Madagasikara tsy maintsy mandroso!?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT