Fifamoivoizana

Fitaterana an’habakabaka Hampitomboina ny sidina hihenan’ny sarany


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fampitam-baovao mikasika ny handraisana fepetra fampidinana ny saran'ny fitaterana an'habakabaka miala na tonga eto Madagasikara sy ny fepetra ahafahana manafoana ireo

 fanondranana antsokosoko eny anivon'ny seranam-piaramanidina. Tapaka fa hampitomboana ny isan’ny sidina mampitohy an'Antananarivo sy Parisy mba hampidinana ny saran’ny fitaterana. Hosokafana ihany koa ny sidina miaraka amin'ny Turkish Airlines mampitohy an'Antananarivo sy Turquie na mampitohy an'Antananarivo sy Parisy ary mandalo an’i Turquie. Hisokatra ny sidina mampitohy an'i La Réunion -Toamasina/ La Réunion- Nosy-Be / La Réunion-Tana, hampihena ny saran-dalana. Hosokafana ihany koa ny sidina mampitohy aní Mayotte- Mahajanga sy Antananarivo, Mayotte- Nosy be - Antsiranana. Hosokafana ihany koa ny sidina mampitohy an'Antananarivo amin’i Maurice ary efa an-dalana. Hojerena ihany koa izay ahafahana mampihena ny saram-pitateranana mampitohy an’i Sainte-Marie. Ary hampitomboana ny isan'ny sidina mba fanaovana sonia fifanarahana isorohana ny fanondranana. Efa mitohy kosa ny fifampiraharahana farany hamaritana ireo fepetra mikasika ny famerenana tsy ho ela intsony ny sidina iarahana amin’ny Ethiopian Airlines manketo Antananarivo. Marihina fa nanaiky ny hanaraka ireo fepetra hisorohana ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena malagasy ny Kaompania Ethiopian Airlines, hoy ny Fanjakana. Mitohy ihany koa ny fifampiresahana amin'ny famerenana ny sidina mampitohy amin'i Afrika Atsimo mifandraika amin'ny tokony hanaovana fifanarahana isorohana ny fanondranana antsokosoko harem- pirenena malagasy, araka ny tatitra.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT