Fifamoivoizana

Fitaterana anabakabaka Higrevy ny ASECNA ny 23-25 septambra


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Namoaka fampahafantarana fanavaozana ny fanaovana fitokonana izay efa nampahafantariny ny 15 aogositra 2022 teo indray ny rantsan’ny ASECNA (Agence pour la Sécurité de la Navigation Aérienne en Afrique et à Madagascar)

ka nametraka izany eo anivon’ny rantsan’ny ASECNA eto Madagasikara. Hiroso amin’ny grevy mandritra ny 3 andro, ary efa nifanekeny tamin’ireo Sendika rehetra miatsoroka ny fandrindrana ny fifamoivoizana an’habakabaka mpikambana eo anivon’ny ASECNA, izay mandrindra sy mandamina amin’ny ankapobeny ny ankamaroan’ireo sidina eto Afrika sy Madagasikara. Nampahafantarina ny rehetra fa hiato ny asan’izy ireo eto Antananarivo, Toamasina, ary Mahajanga ny zoma 23 septambra amin’ny 08h00TU hatramin’ny 25 septambra 2022 amin’ny 7h59TU, ary hitohy mandrindra ny fotoana tsy voafetra raha toa ka tsy misy ny vahaolana entin’ny tompon’andraikitra eo anatrehan’ny krizy. Mandritra io fotoana io, hapitsahatra ny asany avokoa ireo “Contrôleurs aériens” tompon-draharaha any amin’ireo seranam-piaramanidina iandraketany sy any amin’ireo ivon-toeram-paritra samihafa. Raha fehezina dia tsy misy fiaramanidina afaky ny hanatanteraka sidina raha tsy manao ny asany ny ASECNA. Hisy kosa ny fiandrasan-draharaha ho an’ny sidina ho an’ny Filoham-panjakana sy governemanta, ny sidina ara-miaramila, ny fitondrana marary makany ivelany, ny sidina misy antony goavana amin’ny mahaolona, ny sidina momba ny famonjena loza. Raha hiverenana, isan’ny notakian’izy ireo ny fampiakarana ny fanasokajiana arak’asa ho “G1” ny Contrôleurs aériens rehetra, fanavaozana momba ny “prime de licence”, fanatsarana ny fomba fikajiana ny tombon’ora iasana, “réforme du plan de carrière”, “revalorisation des heures de nuit”,… Tsy afa-po tamin’ny valin’ny fitakiana 8 nataony ny ASECNA. Naneho fa fandrahonana sy fanaratsiana, ary fanasoketana sy mari-pototra no setriny avy amin’ny Diréction Générale any Dakar sy eto an-toerana, ary naneho ireo Contrôleurs aériens Malagasy fa lasibatry ny politikam-pampandohalihan’ny Tale Jeneraly hatramin’ny nandraisan’ity farany ny asany ny 2017. Toky R Sary fanehoana
Entrer
Toky

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT