Fifamoivoizana

Fitaterana ana habakabaka Hiverina tsikelikely afaka 10 andro


  • Zoma 24 Aprily 2020

Araka ny loharanom-baovao azo, dia hanomboka hiverina tsikelikely ireo sidina an’habakabaka mivoaka sy miditra an’i Madagasikara.

 

 

 

 

Raha tsy misy ny fiovana, dia manomboka ny ny 5 mey no hiverina ny sidin’ny Kaompania Air Madagascar Antananarivo-Maurice-Antananarivo ; Ny 12 mey ho an’ny zotra maromaro : Antananarivo-Paris CDG-Antananarivo ; Antananarivo-Marseille-Antananarivo ; Antananarivo-Saint Denis-Antananarivo; Antananarivo-Moroni-¬Antananarivo; Antananarivo-Dzaoudzi-Moroni-Antananarivo. Ho an’ireo sidina hafa miditra ankoatra ny Air Madagascar dia ny 5 mey ho an’ny Ethiopian Airlines ; 6 mey ny Airlink ; 7 mey ho an’ny Kenya Airways ; 15 mey ny Air Mauritius ; 20 mey ny Turkush Airlines. Ho an’ny Air France moa dia hatramin’ny 31 mey ny fiatoan’ny sidina ifandraisany amin’i Madagasikara, ary andrasana ny fanapahan-kevitra na hiverina avy hatrany na ahoana.Andrasana tahaka izany ihany koa izay mety ho fiovan'ny fanapahan-kevitra momba ny sidina mampifandray an'i Madagasikara amin'i Chine izay miato hatramin'ny 30 jona Isan’ny ain’ny toekarena ny fitaterana ana habakabaka izay iankinan-javatra maro toy ny ara-barotra, ara-pizahantany,…

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT