Fifamoivoizana

Fitaterana an-tsokosoko Nafangaro tamin’ny trondro ny olona


  • Alakamisy 09 Jolay 2020

Fiara fourgon iray no tratra niditra an-tsokosoko tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana afaka omaly.

 Avy any Toamasina io fiara io ary nilaza fa hanatitra tondro any Fenoarivo Atsinanana. Somary nahavariana ireo mpitandro ny filaminana nanao sakana teo Namakoa anefa izany fanaterana trondro izany ka nosavaina avy hatrany ilay fiara. Tratra tao ambadik’ireo trondro nolazain’ilay mpamily sy ny mpanampy azy ireo olona miisa valo izay fantatra fa nikasa hamonjy fodiana any Fenoarivo Atsinanana. Naverina avy hatrany any Toamasina ireo olona valo ireo raha notanana natao fanadihadiana kosa ilay mpamily sy ny mpanampy azy. Naiditra ambalam-pamonjana ilay fiara. Nomarihin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana fa na dia efa vitsy aza ireo mararin’ny coronavirus ao Toamasina dia mitohy hatrany ny ady hatao amin’ity valan’aretina ity ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT