Fitaterana an-tariby

«Tsy natao hitsinjo mpianatra kosa angamba!»


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

Tsy natao hitsinjo ny mpianatra kosa angamba, hoy ny mpanara-baovao,

ny hoe amin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora maraina no mandeha ity fitaterana an-tariby na «téléphérique» ity, ho an’ny tapany maraina! Ny mpianatra eny amin’ny kolejy no miakatra dia amin'ny ankapobeny miditra amin'ny 7 ora maraina. Ny fampahalalam-baovao anefa nilaza fa omena «ticket» na tapakila maimaimpoana ny mpianatra amin'ny lisea sy kolejy sasany eto Antananarivo renivohitra. Ataony inona izany ny «ticket» nefa tsy mifanaraka amin'ny ora hianarany akory ny ora fiasan'ity TPC na fitaterana an-tariby ity, hoy hatrany ny fanontaniana? Nampahafantarina indray koa aza moa omaly fa tsy misokatra ny zotra an-tariby na TPC ho amin’ity Alakamisy ity ho solon'ny fisokafana ny alahady 17 aogositra lasa teo, izay andro natokana hisian’ny fikojakojàna sy fanadiovana faobe. Miverina mitohy ny fitaterana ny zoma sy ny sabotsy. Ho an’ny sabotsy dia nahemotra amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora maraina ny tapany maraina ny fitaterana. Naroso amin’ny 3 ora ka hatramin’ny 5 ora kosa ny tapany hariva, hoy hatrany ny fampitàm-baovao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT