Fifamoivoizana

Fitaterana an-tariby na teleferika Eo an-dalam-panomanana ireo andry lehibe


  • Talata 21 Martsa 2023

Voahaja ny fanatanterahana ny tetikasa ho an’ny fitaterana an-tariby na teleferika, zotra “ligne orange” mampitohy an’Anosy, Soarano, Ankorondrano, Analamahitsy ary Ambatobe,

hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny sekreteriam-panjakana misahana ny tanana vaovao sy toeram-ponenana omaly. Taorian’ny fe-potoana famenoana ireo fepetra sy fanomanana tsy maintsy notanterahina dia miroso ny asa ho an’ny fiantsonana na “station” Anosy izay eo am-panaovana ireo fototra lalina na “pieux” ary ny fanamafisana ny moron’ny farihin’Anosy amin’izao fotoana izao. Afaka fotoana fohy dia hiroso amin’ny asa fanorenana miakatra. Eo an-dalam-panomanana ny fametrahana ireo andry lehibe na “pylons” miisa 7 manelanelana ny fiantsonana miisa 2 dia Anosy sy Soarano ary hanomboka ihany koa ny asa ao amin’ny fiantsonana Soarano na Madarail. Mitohy ny fampahafantarana sy fihaonana manokana amin’ireo rehetra voakasiky ny tetikasa ho famaliana ireo fanontaniana sy ahiahy mety mbola mipetraka. Nisy omaly alatsinainy ny fitsidihana ny fandrosoan'ny asa eo Anosy nataon'ny SENVH na Sekreteram-panjakana tanàna vaovao sy toeram-ponenana sy ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo na CUA izay mpiara miasa sady mpisitraka ny tetikasa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT