Fifamoivoizana

Fitaterana an-tanety Nafana ny adihevitra teny Ambodivona


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Novoaboasana nandritra ny fivorian’ny ATT sy ny mpitatitra omaly 19 aogositra teny Ambodivona ny fiomanana tokony hatao amin’ny famerenana ny fitaterana izay niato 5 volana mahery.

 

 

 

Isan’izany ny fepetra raisina ara-pahasalamana, ny lalàna mifehy fifamovoizana ary ny lamina fandrindrana,... Misy drafitra tokony haroso mialohan’izany, hoy ny tale jeneraly ATT Jeneraly Jeannot Reribake nitarika ny fivoriana natrehan’ireo filohan’ ny kaoperativa Nasionaly sy Regionaly. Tsy maintsy hajaina ny fepetra ara-pahasalamana na eny amin’ny toby fiantsonana, na ho an’ny fiara tsirairay. Ampiasaina ny famandrian-toerana amin’ny alalan’ny finday na internet,… Toa midika izany fa hosokafana tsikelikely isaky “axes” ny fitaterana. Toy izao ny vina ho an’ny isan’ny mpandeha ho an’ny zotra nasionaly: Mini-bus mazda mpandeha roa isakin’ny “banquette”, 03 ny an’ny Mini-car (Sprinter), 04 ny karandala. Ho an’ny zotra rejionaly kosa, mpandeha telo isaky ny “banquette” ho an’ny Mini-bus mazda; 04 ho an’ny Mini-car ( Sprinter); 05 ho an’ny karandala. Momba ny saran-dalàna manokana dia tokony hitovy avokoa izany eran’ny Nosy. Eto dia voalaza fa tsy misy saran-dalàna miakatra fa kosa hotsinjarain’ireo mpandeha ny fandoavana ny “banquette” banga , izany hoe raha tokony ho mpandeha telo no ao amin’ny baquette iray dia noferana ho roa izany , ka ireo mpandeha roa no mifampizara ny fandoavana ny faha-telo. Notsindriana kosa anefa fa fiomanana no natao fa anjaran’ny fitondram-panjakana ny manapa-kevitra. Aoka hazava tsara ny resaka ary atao mirindra tsara ny fandaminana hoy ireo mpitatitra, mila handraisana fepetra hentitra ihany koa ireo mpijirika sy mpitatitra an-tsokosoko hoy izy ireo mbola tena mafana arak’izany ny adihevitra.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT