Fifamoivoizana

Fitaterana an-tanety Fiara niisa 160 niditra “fourrière” tao anatin’ny 3 volana


  • Zoma 19 Martsa 2021

Mitohy ny fitsirihina ataon’ny ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny

 

 


 toetr’andro, mba hiatrehana ny fihanaky aretina Covid-19. Tsy eto andrenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny Faritra rehetra. Nanamafy ihany koa ny Filan-kevitry ny minisitra ny alarobia 17 martsa 2021, fa tsy maintsy hajaina ary hamafisina ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra mahakasika ny fitaterana. Tao anatin’ny telo volana izao, ny 15 janoary hatramin’ny 12 martsa 2021, dia nahatratra 168 ny isan’ireo fiara mpitatitra amin’ny zotra nasionaly, rezionaly ary suburbaine, voasazy. Ny 160 amin’ireo no nahiditra fourrière nandritra ny 10 andro. Ny volana febroary, nahitana fihenana ny isan’ireo fiara voasazy, saingy tato anatin’ny herinandro vitsy dia nahitana fitomboana indray ny tsy fanarahan-dalàna. Isan’ireo antony nahavoasazy azy ireo ny fampiasana fiara tsy voafendraka fanafody ; ny fakana mpandeha ivelan’ny tobim-piantsonana ka tsy ahafahana mahazo ny « manifold » misy ny mombamomba ireo mpandeha rehetra; ny fitondrana mpandeha mihoatra ny fetra, izay tsy hahafahana mametraka ny fanajana ny elanelana ao anaty fiara, ka mampitombo ny fifampikasohana. Nilaza ny eo anivon’ny ministera fa ho hentitra hatrany ary hiroso avy hatrany amin'ny fanasaziana manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna samihafa, izay mety hampidi-doza ireo mpandeha sy ny hafa, amin’izao vanim-potoana mampihanaka indray ny aretina Covid-19 izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT