Fifamoivoizana

Fitaterana an-tanàn-dehibe Nipoapoaka ny fampanantenan’ny UCTU


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Nampahafantarina tetsy amin’ny foiben’ny fikambanan’ireo kaoperativam-pitaterana an-tanàn-dehibe na UCTU tetsy Ambodivona omaly ny mpikambana vaovao mandrafitra ny birao mpitantana ity fikambanana ity.

Randrianatoandro Lovasoa Angelo avy amin’ny koperativa SOMIAFAR (137 sy 187), mankany Fiadanamanga - Analakely sy 67ha no filoha, filoha lefitra kosa Rakotoniriana Jean Louis Emile, izay avy amin’ny koperativa Tselatra. Mpitahiry vola 1, mpiraki-tsoratra 1 ary mpanolotsaina 5. Nampahafantatra tamin’ny ankapobeny ny fandaharam-potoanan’izy ireo mandritry ny fijanonany eo moa ireto birao ireto ary anisan’ny nasongadina fa hisy fanitaran-jotra kasaina atao manomboka amin’io taona ho avy io noho ny fahitana fa mahatonga fahasemporana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny tsy fahampiany. Miankina amin’ny fepetra sy ny fahafahan’ireo zotra no hanaovana izany, hoy ny fanazavana. Entanina ihany koa ireo koperativa mba hanangana zotra manokana na ilay antsoina hoe : Bus Class ka tsy hatao mihoatra ny toerana 22 izany. Somary hifanaraka amin’ny kalitao, hoy izy ireo ny sarandalana saingy hisy hatrany kosa anefa ny zotra sahaza ny volan’ny rehetra. Ho avy tsy ho ela ihany koa ny bokin’andraikitra vaovao, raha toa ka ny taona 2003 no nisy izany farany. Ny 28 desambra izao moa no hihaona amin’ny tompon’andraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra izy ireo handamina ny zava-drehetra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT