Fifamoivoizana

Fitaterana an-tanàn-dehibe Hatsaraintsika io , hoy i Dada


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Mandeha araka ny tokony ho izy ny fanatsarana ny tontolon’ny fiarakaretsaka eto Antananarivo.

Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana sy mpiara-miasa aminy akaiky ary ireo mpamily marobe teny amin’ny OMAVET Nanisana ny talata 31 oktobra teo. Nanamafy ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo, fa tsy hanilika “4L sy “2 CV”, fiara tranainy araka ny resaka voizina, fa vao mainka aza hanatsara azy ireo amin’ny alalan’ny fitsirihana sy ny fanambaoarana hiandraketan’ny Orinasa OMAVET eny Nanisana. Tsy hisy ihany koa ny hoe fampidiran’ny CUA fiara vaovao. Sady tsy marina ny filazana hoe ahilikilika izy ireo karazana fiara tranainy, fa miasa daholo aloha, ary hatao izay hahafahana manao ny fikojakojana mba hiarovana ny ain’ny mpandeha sy ny ainareo rahateo ihany koa, hoy ny mpanolontsaina manokana Marc Ravalomanana. Raha ohatra ka misy simba na zavatra kely foana dia mba omena fe-potoana hoe mba hamboary fa ataontsika ny mampandeha azy, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Izaho mihitsy no handray an-tànana ny fomba fampandehanana azy ity miaraka fiarakaretsaka, ary niaraha-nahita fa arifomba daholo ny zava-drehetra, ka hojerena ny “parallelisme”, jireo, ny hisatra,… Raha misy tsy mety dia azo amboarina, ary efa nilaza ny Talen’ny OMAVET fa hanome fihenam-bidy ary raha misy zavatra madinika tsotsotra dia hataony maimaimpoana, hoy ny fampanantenan’I Marc Ravalomanana. Ny paikady rehetra dia mifantoka amin’ny hoe: hatao izay hanamorana sy mba hahazoanareo mpamily fiarakaretsaka izay tombotsoa tokony ho azo, ka hatsangano ny fikambananareo, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Mila hafainganina ny fandraisana ireo fiara tsirairay eny amin’ny OMAVET, izay maimaimpoana hatramin’ny volana desambra, raha ny fangatahan’ny ireo mpamily.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT