Fifamoivoizana

Fitaterana an-drenivohitra Tsy hitan’ny karatra intsony ilay teleferika…


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Dila izay ny herintaona mahery satria ny 20 septambra 2021 no natao Sonia tao amin’ny Minisitera misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny tao Paris ny fanaovan-tsonian'ny

fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny Tahirim-bolam-panjakana Frantsay, momba ny tetikasa hametrahana ny fitaterana "Téléphérique" eto Antananarivo sy ny tetikasa Mandraka 3. Nankatoavin’ireo Solombavambahoaka ny 16 desambra 2021 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny volavolan-dalana laharana faha-023/2021 sy laharana faha-024 tamin’ny 15 Desambra 2021 momba ny findramam-bola entina mamatsy io tetikasa «Transport par câble » na Teleferika eto Antananarivo io. 24 volana no fe-potoana nambara fa hanatanterahana ny tetikasa, ka ny orinasa COLAS sy POMA no hanao azy, mitentina 151 tapitrisa Euros ny teti-bidin’ny tetikasa, ka famatsiam-bola telo no anaovana azy, avy amin’ny Société Générale, NATIXIS ary ny Fanjakana Malagasy. Trosa izany no betsaka eo, 14 taona ny fe-potoana hamerenam-bola. Efa oktobra 2022 isika izao, tsy tena mbola hita soritra ny fanombohany, ankoatra ny adihevitra maro samihafa izay nodian’ny Fanjakana adala, ary izay nanakiana an’io nolazaina fa manohitra fandrosoana, kanefa hatramin’ny depiote IRD voafidy tany Ikongo aza naneho fa raha jerena ny zavatra tokony ho maika dia ny fanamboarana ireo làlana mampifandray ny distrika no tokony hihazakazahana no laharam-pahamehana kokoa. Nenjehina fatratra io olom-boafidy io, eny fa na hatramin’ny filoha aza nanakiana azy. Mandrak’ity ny androany, toa nikatso tanteraka indray ny resaka, nangina tsy hitan’ny karatra firy intsony, taorian’ny adihevitra momba ny fandavahana tetsy amin’ny Sekoly Saint Michel Amparibe, ny adihevitra tamin’ny mpivarotra tetsy amin’ny Petite Vitesse. Tsy resaka fihemorana noho ny ahiahy sy ny kiana fa tsy laharam-pahamehana no mampikatso, fa tombanana ho ny resaka ara-bola. Raha ny “werawera”-n’ity fitondrana ity, vao vita ny fifanarahana dia nalefany io, saingy mety misy olana maro, indrindra fa ny ara-bola. Serasera no betsaka hoe: hanomboka, saingy tsy hita izay eo. Mazava fa tsy ho vita ao anatin’ny fe-potoana iasan-dRajoelina raha io 24 volana na roa taona nofaritana io. Mety tsy ho vita mihitsy tahaka ny ozinina fanaovana etanola any Ambilobe, ny pole urbain ao Fianarantsoa, ny ozinina fanamboarana simenitra efa tamin’ny tetezamita no noresahana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT