Fifamoivoizana

Fitaterana an-dranomasina Vahaolana iray hanavotana ny toekarena


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Manana anjara toerana lehibe i Madagasikara eo amin` ny lafin`ny fifanakalozana an-dranomasina satria andalovan` ny “routes maritimes internationales” lehibe telo, mampifandray amin` ny kaontinanta dimy.

 

 

 

 Mitahiry otrikarena maro azo trandrahina rahateo ny ranomasina. Antony indrindra nanana politika nasionaly ho an` ny fitaterana an-dranomasina. Ny sehatry ny fitaterana ihany koa dia mpamorona asa mendrika sy asa azo antoka ary miantoka ny fampandrosoana maharitra. Araka ny nambaran` ny tale jeneralin` ny APMF, capitaine de vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina,dia sambo miisa 7 000 isan-andro no mifamezivezy manodidina an` i Madagasikara ka ilaina ny fanavaozana fotodrafitrasa eo anivon`ireo seranantsambo Malagasy raha te hanamafy fiaraha-miasa. Marihana fa ny volana jona lasa teo natolotry ny APMF ho an` ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro, ny antontan-kevitra momba ny politika nasionaly ho an’ny sehatry ny fitaterana andranomasina, izay mifototra amina teboka lehibe dimy: fitantanana, ny fitantanana ireo olona, ìreo seranana, ireo sambo sy ny fivezivezena an-dranomasina sy an-dranomamy.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT