Fifamoivoizana

Fitaterana an-dranomasina Tokony hifamatotra amin’ny teknolojia vaovao


  • Talata 26 Febroary 2019

Nisy ny atrikasa famolavolana ny fandrafetana ny drafitra nasionaly momba ny fikarohana sy famonjena an-dranomasina (SAR) notanterahina tetsy amin’ny foiben’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy ny ranomamy (APMF) Alarobia omaly alatsinainy 25 febroary.

 

 

 Ireo teknisianina mpisehatra amin’ny ranomasina sy ireo mpanatanteraka ny asa famonjena aina no niatrika izany. Atrikasa haharitra hatramin’ny 5 martsa izay hisian’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpampiofana sy ireo manampahaizana manokana ny amin’ny vonjy aina eny an-dranomasina. Tsiahivina fa misy ireo lalàna mifehy ny ranomasina avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny fitaterana an-dranomasina (OMI) izay tsy maintsy aharahin’ireo firenena mikambana ao ka anisan’izany i Madagasikara. Tsy mijanona fotsiny amin’ny famonjena aina sy ny fanarahana ireo lalàna ity atrikasa ity fa eo ihany koa ny fihainoana ny olana mahazo ny sambo mandalo rehetra eto Madagasikara izay an’ireo firenena mikambana ao amin’ny OMI. Araka izany dia misy ny faritra tokony hofehezin’ny Malagasy izay mahatratra hatrany amin’ny 2 tapitrisa m² tokony hosahanina ary hanatanterahana ny famonjena aina. Eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena avy any ivelany, indrindra ny amin’ny fikirakirana ireo teknolojia vaovao. Lehibe sy midadasika ny ranomasina sahanin’ny Malagasy ka ilaina hatrany ny fifanomezan-tanana sy ny fifehezana ireo teknolojia vaovao misy. Tsy maintsy mianatra sy mifehy izany i Madagasikara ary mila teknisianina maro ny amin’ny fikirakirana ny fitaovana rehetra. Anisan’izany ny fahaiza-manao tokony hananana mahakasika ny nametrahana ny MRCC (Maritime Rescue Coordination Center) izay ahafahana mahita sy manaraka ny toerana misy sambo manana olana mba hanavotana azy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT