Fifamoivoizana

Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy Hirosoana ny fanatsarana tsikelikely


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Hohavaozina miandalana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy manomboka izao.

Ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana mahakasika ny (APMF) no efa miandraikitra ny ezaka atao. Anisan’ny hojerena voalohany manokana ny mahakasika ny fitantanana ankapobeny. Hisy mihitsy ny fitsirihana anatiny (audits internes) hanadiovana ny fitantanana. Eo ihany koa ny fehezan-dalàna mifehy ny fitaterana an-dranomasina izay efa tena lany daty ny an’i Madagasikara. Efa nilaozan’ny toetr’andro satria efa tamin’ny taona 2000 ilay fehezan-dalàna ka rariny raha hatsaraina. Eo amin’ny lafiny ara-teknika sy ny ara-potodrafitrasa, indrindra ny mahakasika ny seranan-tsambo sy ny fitandroana ny filaminana eny amin’ny ranomasina sy ny ranomamy dia ilana ezaka sy fanatsarana ihany koa ary maro ny drafitra efa novolavolaina. Amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara dia tokony hisy akony lehibe amin’ny toekarena ireo haren-dranomasina marobe ireo rehefa mety ny fitaterana. Amin’izao fotoana izao dia efa misy mihitsy ny fanadihadiana isan’ambaratongany ataon’ny APMF ny amin’ny fitantanana ny seranan-tsambo sy ny fanaovana fotodrafitrasa amin’ireo faritra mitoka-monina hampiroboroboana ny toekarena an-dranomasina. Misy ny seranan-tsambo efa an-dalam-panamboarana tahaka ny any Mananara Avaratra, izay manana halava 140 metatra sy velarana 360m² izay hovitaina ny volana jona 2020.

 Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT