Fifamoivoizana

Fitaterana an-dranomasina Natsaraina ny politikam-pirenena ho tombony ara-toekarena


  • Alarobia 17 Jona 2020

Efa vita tanteraka ny atrikasa fakan-kevitra farany tamin’ireo mpiantsehatra amin’ny fitaterana an-dranomasina rehetra. Atrikasa izay fankatoavana ny tetikasa momban’ny Politika Nasionalin’ny Fitaterana an-dRanomasina (PNTM) eto Madagasikara.

 

 

 

 Rehefa izay dia natolotra omaly teo anivon’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famatarana ny Toetrandro ny antotan-kevitra mirakitra izany. Sehatra 5 no tsy maintsy nojerena sy niasana ka anisan’izany ny politikam-pitantanan-draharaha izay hohatsaraina ary hampiasaina ireo teknolojia avo lenta ankehitriny. Natao laharam-pahamehana amin’io lafiny io ihany koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatsarana ny lalàna misy. Mahakasika ireo mpiantsehatra mpanatanteraka ny asa (ressources humaines) kosa dia hisy ny fampiofanana mba ho fanatrarana ny fenitra iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny atotan-kevitra ihany koa ny momban’ireo seranan-tsambo izay mila fampivoarana hahatsara ny toekarena manga. Tokony hisy seranan-tsambo lehibe azo ianteherana tahaka ny ao Toamasina raha tojo sakana tahaka ny zava-misy ankehitriny hoy ny fanazavana. Voarakitra ao ihany koa ny fivezivezena an-dranomasina sy ireo sambo mivezivezy ary ny manodidina izany tahaka ny fanamboarana sy ny fanarahana ireo fenitra mba tsy hitera-doza. Ary ny farany izay tena ilaina filofosana dia ny fiarovana ny tontolo iainana mifandraika amin’ny fitaterana an-dranomasina. Ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-ranomamy (APMF) no anisan’ny tompon’andraikitra nijery ireo pitsopitsony rehetra nahalavorary ity PNTM ity. Nanambara ny Tale Jeneralin’ny APMF, Capitaine de Vaisseau, Randrianantenaina Jean Edmond fa tombony lehibe ho an’I Madagasikara ny maha-Nosy azy ary ezahina hampiainga haingana ny toekarena ireo politika napetraka izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT