Fifamoivoizana

Fitaterana an-dranomasina Nanamafy ny fahaiza-manaon’ireo ekipa any Nosy-Be ny APMF


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Hetsika ara-kolontsaina iray tena malaza eto amintsika ny Donia isan-taona. An’alin-kisa mantsy ireo olona avy any amin’ny faritra sy firenena maro samihafa tonga any Nosy-Be mba hijery fotsiny ity Festival ity.

Tsy misy  zotra-pitaterana afa-tsy amin’ny alalan’ny sambo anefa miazo ity Nosy manitra ity, antony nanosika ny APMF ((Agence Portuaire, Maritime et Fluviale) hidina any an-toerana hanatevina ny fahaiza-manaon’ireo ekipa any an-toerana izay hijanona any an-toerana mandavan-taona mihitsy.  Tanjon’izy ireo raha araka ny fantatra ny  hampirindra ny fitaterana an-dranomasina  mandritra ny Festival Donia hisorohana ny loza mety hitranga. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ifotony ireo fepetra mikasika ny tantsambo, ny sambokely hampiasainy,  ary ny fahafahana mampiasa ny seranan-tsambo. Hiara-kiasa akaiky amin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny sehatra tsy miankina misahana ny fitaterana an-dranomasina any an-toerana izy ireo mandritra izany. Hisy ihany koa raha araka ny fantatra ny fampitomboana ny fanaraha-maso ireo sambokely miasa ao amin’ny seranan-tsambon’Ankify sy ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Nosy-Be hell-ville ary ny ao Ambarovato. Sambany no hisy fanaraha-maso tahaka izany  any an-toerana ho  an’ity farany. Marihina  fa sambokely miisa 80 isan’andro no miasa mampitohy ireo zotra ireo manomboka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva ao Nosy-Be. Anisan’ny antony nanosika ny APMF sy ny Ministera miadidy azy handray ny andraikiny izany ho fiarovana ny ain’ny mpandeha.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT