Maro ireo ezaka tsy maintsy hirosoana hanatsarana ny sehatra fitaterana araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitaterana,
ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetrandro, Joel Randriamandranto nandritra ny fihaonana niaraka tamin’ny antenimierandoholona omaly. Anisan’izany ary ao anatin’ny programan’ny ministera ny famelomana indray ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Taolagnaro hoy izy. Amin’izao fotoana izao dia efa mandeha ny asa ary tanjona ny hampiroboroboana ireo seha-pihariana misy any an-toerana mba ho ainga ho an’ny toekarena. Anisan’izany ohatra ny seha-pihariana langouste izay hita ho nihena hatrany ny vokatra noho ny tsy fisiana sy ny faharatsian’ny foto-drafitrasa. Hatao noho izany ity seranan-tsambo ity izao ahafahana mamaly ny tinady eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena ary ihany koa hoentina hanatsarana ny farim-piainan’ireo mpikirakira ny seha-pihariana langouste sy ny hafa koa. Eo ihany koa ny fampivoarana ny fiainan’ny mponina manomboka amin’ny mpanjono ka hatrany amin’ireo mpandraharaha mpanondrana araka ny fanambarana’ny minisitra. Tsiahivina fa ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy ny ranomamy (APMF) no tompon’antoka voalohany amin’ny fanatanterahana ity fotodrafitr’asa ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.