Fifamoivoizana

Fitaterana an-dalamby zotra FCE Efa miasa ireo lohamasinina miisa 3 vao nafarana


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Nahazo lohamasinina miisa 3 ny zotra FCE (Fianarantsoa Côte-Est) araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina.

 Efa miasa izy ireo amin’izao fotoana. Nisafidy ny handeha tamin’ny zotra FCE, ramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filoham-pirenena, raha hihazo ny Kaominina Sahambavy any Fianarantsoa, ny talata teo, mandritra ny fitsidiham-paritra ataony tafiditra amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Kitro ifaharan’ny toekarena sy ny fizahantany amin’iny faritra Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany iny ny zotra FCE. Maro ireo tanàna tsy tongan’ny fitaovam-pitaterana ankoatra ny lamasinina. Manampy betsaka ny tantsaka amin’ireo tanàna sy Kaominina lalovany ny zotra FCE amin’ny famoahana vokatra.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT