Fifamoivoizana

Fitaterana Ahiana hifandramatra ny mpandeha sy ny resevera


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Vidin-tsolika midina mira saran-dalana midina. Io no ao an-tsain’ny olona avy hatrany vantany vao nandre tamin’ny fampahalalam-baovao halina fa nahita marimaritra iraisana amin’ny fampidinana ny vidin-tsolika ny fanjakana sy ireo kaompanian-tsolika.

 

 

Nihena 150 ariary ny gazoala izay ampiasain’ny ankamaroan’ny taksibrosy sy ny taksibe. Lojika raha hisy fidinany ihany koa ny sara-dalana, ary tena manantena izany ny mpandeha. Moa va hikitika ny saran-dalana ihany koa ny mpitatitra sa mbola hijanona amin’ny teo aloha ? Ahiana ny hisian’ny fifamaliana eo amin’ny mpandeha sy ny resevera manomboka anio. Raha ny  fantatra mantsy dia tsy mbola manana eritreritra hampidina ny saran-dalana mihitsy ireo mpitatitra. Tena vesatra iray goavana ho an’ny isan-tokantrano amin’izao vidim-piainana lafo dia lafo izao anefa izy io. Azo eritreretina ve ny hisian’ny fihaonan’ny filoham-pirenena amin’ny mpitatitra ihany koa mba handinihana azy io ? Ho hita eo ny tohiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT