Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Tsy manaja ny fitsipiky ny fifamoivoizana


  • Talata 21 Janoary 2020

Ny taksbe dia tsy misy manaja fifamoivoizana sy manaraka ny fitsipika mifehy azy.

 

 

Ny fiara fitateram-bahoaka dia an’arivony eto an-drenivohitra fa ny fanarahana ny fenitra amin’ny maha asam-bahoaka azy dia tsy hita mihitsy. Maro amin’izy ireny no mbola mandray mpandeha etsy sy eroa na dia tsy amin’ny toerana fiantsonany aza. Misy ihany koa no mijanona amin’ny toerana fiantsonana ihany saingy mibahana afovoan-dalana sady tsy miditra maka sisiny fa mijanona ety aoriana be ety. Ny antsoantso sy ny tabataba ny toerana haleha no nihena. Ny varavaran’ny taksibe moa dia misokatsokatra tsy fantatra na hampiditra na hampidina olona rehefa eny amin’ny fitohanana rehetra eny. Vitsy ireo fiara fitaterana no mampiasa ireny « clignotant » na ireo jiro mipipika fampilazàna fiviliana havia na havanana. Ny fiara « sprinter » dia fitaterana mpanao « rallye ». Miroso amin’iny fametrahana GPS ny ministera voakasika mba hifehezana azy ireo kanefa toa lasa sakana indray ny saran’io fitaovana io. Mila vahaolana maharitra.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT