Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Tsy hitokona indray ny taksibe


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Efa samy niasa saina mafy avokoa ny rehetra manoloana ny fitokonana hataon’ireo taksibe rehetra eto an-drenivohitra manomboka ny alatsinainy izao.

Fantatra anefa fa tsy raikitra indray izy io. Noho ny hetsika tsy nifarahana, hoy ny filoha lefitry ny UCTU no antony nanafoanana azy. Afa-tebiteby ny mpiasa, indrindra ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka amin’io andro io. Fantatra kosa fa tsy hihemotra amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisiny ireo kaoperativa sasany sy tompona fiara izay hampakatra ny sarandalana ho 500 Ar manomboka anio sabotsy 1 septambra. Miisa 22 amin’ny 54 izy ireo no hiroso rehefa nampiomana tamin’ny peta-drindrina tany anaty taksibe. Maro amin’ireo mpandeha moa no nilaza fa tsy mahazaka io sarandalana 500 Ar io fa tsy maintsy hampiasa tongotra ihany eny anelanelany eny. Ho an’ireo tsy afa-manoatra kosa fa tsy maintsy mandeha noho ny halaviran-dalana dia angatahin’izy ireo ny hanarahan’ny tompon’andraikitra maso akaiky ny fomba fiasa, indrindra ireo mpihodina an-dalana sy mpamaly famerim-bolan’olona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT