Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Naato aloha ny karatra maitso


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Miverina hatrany ny fanatsàrana ny tontolon’ny fitateram-bahoaka na ny fanaovana hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna.

 

 

Tsikaritra ny fisian’ny soratra manondro ny toerana voatokana ho an’ireo sokajin’olona marefo (bevohoka, sembana amin’ny vatana, sns) any anaty taxi-be any saingy maro no tsy misy miraharaha akory izy ireny. Efa misy moa ny laharana finday samihafa (an’ny kaoperativa, ny tompon’ny fiara, ny mpitandro filaminana, sns) ho an` ireo fiara fitateram-bahoaka tsirairay avy mba ho fitaovana hanamorana ny fanenjehana avy hatrany ireo tsy manara-dalàna sy tsy manaja ny bokin’andraikitra saingy misy aza moa laharana efa maty no misoratra amin` izany. Eo amin` izay fanajàna ny zon` ny mpanjifa izay indrindra ho an` ny zokiolona dia hatramin` izay vitsy ireo fiara fitateram-bahoaka no nanaja ny karatra maitso. Izany fitaovana izany dia ahafahan’ireo zokiolona mahazo fihenam-bidy, toy ny saran-dalana amin’ny taxi-be. Manoloana izany dia mbola naato aloha ity karatra ity, araka ny nambaran` ny teo anivon` ny minisiteran` ny mponina, satria misy fepetra sy dingana mbola tsy feno. Ao anatin` ny famolavolana drafitra ny ministera sy ireo voakasika izany amin` izao fotoana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT