Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Manomboka miverina ny taingim-be


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Miha miverina indray ny taingim-be eny anivon’ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina, raha ny tsikaritra tato ho ato.

Tranga saika hita hatrany io, indrindra, aorian’ny fotoana ilazan’ny mpitondra fa nihena ny tarehimarika na ny isan’ireo marary sy matin’ity valanaretina Coronavirus mbola tsy afaka eto Madagasikara ity. Efa hita io tamin’ny andiany voalohany ary io miverina io indray ao anatin’izao fifaranan’ny andiany faharoa amin’ny hahamehana ara-pahasalamana izao. Antony, raha ny fitarainan’ireo mpitatitra dia noho ny fihenan’ny vola miditra amin’izy nefa ny fiainana miha sarotra. Ny taingim-be eo ihany, fa anisan’ny mampitaraina olona amin’ny Taxi be an’Antananarivo ihany koa ny fampifangaroana ny entana misavovona sy olona.Misy ny entana tena azo vimbinina, fa misy kosa ireo mibahana tanterakka ary mety handratra mihitsy aza.Tsy efa fotoana ihany koa ve izao handinihana hoe ahoana ny atao amin’ireo mitondra entana maro isan-karazany fa mba tsy mety kosa angamba ilay olombelona miaraka amin’ny fatapera sy ny gony be ana friperie ary akoho ao anaty taxi be e !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT