Mihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mponin’Itaosy mampiasa ny taxibe 133 miazo an’Analakely sy ireto farany. Mahatsiaro ho mijaly loatra mantsy izy ireo amin’ny hafitsok’ireo mpamily sy ny mpanampy azy ao amin’ity koperativa iray ity.
Lohalaharana amin’ireny ny fiodinana an-dalana, ny fandinganana mpandeha milahatra eo amin’ny tobim-piantsonana na dia malalaka be izao aza ilay fiara, indrindra amin’ny fotoana mahabetsaka ny olona. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fanariana mpandeha eny an-dalana, ny tsy fanajana ny vehivavy bevohoka sy ny mitrotro zaza. Tsy vitsy ihany koa ireo zokiolona voakitakita ary asaina midina eny am-pandehanana rehefa maika izy ireo…. Mangataka ny hampidirana koperativa hafa eny Itaosy mihazo an' Analakely izy ireo araka izany. Ho an’ireo taxibe ao amin’ny zotra 133 indray dia nitokona izy ireo omaly. Leo ny fanasaziana hataon'ny zandary azy izy ireo raha araka ny fantatra. Tsy mahalala afa-tsy ny haka vola hoy hatrany ny mpamily iray ireo zandary hany ka na ny vola versement-n’ny mpampiasa aza mila tsy ho feno. Leo izahay hoy hatrany izy ireo. Marihina moa fa hatramin’ny omaly hariva dia sahirana tamin’ny fitadiavana ireo taxibe 133 miazo an’Itaosy hopitaly ny mponin’Itaosy raha niasa kosa ireo miazo an’ny Cité des assurreurs.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.