Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Hisy taxibe vaovao misy wifi ho avy eto


  • Alarobia 06 Janoary 2021

Hisy taxibe vaovao hiasa eto amintsika atsy ho atsy. Taxibe miavaka izy ireo

 

 

 

satria tsy toy ny mahazatra raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro Joel Randriamandranto. Hisy wifi mantsy ao anatiny hahafahan’ny olona mahalala tsy tapaka ny vaovao eto an-toeraana sy maneran-tany amin’ny alalan’ny finday ankoatra ny havitsian’ny olona azony entina. Tena filaminana raha izay no azo ilazana azy rehefa mitaingina ity taxibe ity saingy tsy hitovy amin’ny mahazatra kosa ny saran-dalana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ity Ministera iray ity miaraka amin’ny Fitondram-panjakana ao anatin’ilay service plus avokoa moa izany ka na ireo fiara karetsaka aza mety ho resiny. Ireo taxibe tsotra moa dia tsy lazaina intsony nefa anisan’ny mamelona fianakaviana maro tokoa eto amintsika. Na izany aza mbola fikasana ihany aloha ny amin’ity ministera ity fa dia ho hita eo ny tohiny.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT