Fitateram-bahoaka eto Analamanga

Miha mahazo toerana ny Bajaj


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Hita ho miha mahazo toerana amin’izao fotoana izao ny Bajaj, raha ny fitateram-bahoaka eto Analamanga

no asian-teny. Ilay Bajaj fitateram-bahoaka toy ireny hita any amin’ny firenena aziatika sasany tahaka an’i Thailand sy Filipinina ireny moa no tena hita miha maro amin’ireo kaominina samihafa. Zary lasa mahasolo ireo fiara fitateram-bahoaka na taksibe mihitsy aza moa izy ireny satria mahazaka mpandeha am-polony ary manodidina ny 500 hatramin’ny 600 Ariary ihany koa no saran-dalany. Isan’ireo efa ahitana izany, ohatra, ny kaominin’Ambavahaditokana, ny eny Ambohidratrimo, ireo kaominina maromaro manodidina an’iny Itaosy iny ihany koa. Niteraka resabe sy azo lazaina hoe fifandirana teo amin’ireo mpampiasa lalana mihitsy moa, taona vitsy lasa izay, ny fankatoavana ny kodiaran-droa na «taxi-moto» teto Antananarivo renivohitra. Ao Antsirabe izany izao efa misy Bajaj miha mahasolo fiarakaretsaka na «taxi». Misy posy sy posy bisikileta na «cyclo-pousse» ihany koa ankoatran’ireo karazam-piara fampiasa mahazatra daholo moa izany rehetra izany. Handamina ny fifamoivoizana eto Analamanga daholo izany rehetra izany sa vao mainka hanakorontana miampy ity isan’ny mponina tsy mitsaha-mitombo? Ny ampitso no hamaritra azy.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT