Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Andoharanofotsy Nitokona ny KOFITA, fiara 10 sisa no niasa


  • Alarobia 13 Oktobra 2021

Nitokona ny mpamily sy ny mpanampy azy amin’ny zotra KOFITA ( Koperativa Fitaterana Tantsaha) mampitohy an’Andoharanofotsy amin’Ambohijanaka omaly maraina

. Raha taxibe miisa 40 ka hatramin’ny 50 isan’andro no tokony hiasa dia tsy nisy afa-tsy 10 izy ireo omaly. Anisan’ny antony niteraka ny fitokonana raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny koperativa Rakotonarivo Fanomezantsoa ny famindrana toerana ny tobim-piantsonana ho lasa any amin’ny 1 km talohan’ny nisy azy teo aloha. Mijaly fatratra ireo tantsaha mitatitra entana, ireo ankizy mpianatra, ireo mpiantsena vokatr’izany indrindra raha vantany vao hariva ny andro. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia efa tongan’ny mpanendaka sy ny mpanao sinto-mahery ihany koa eny an-toerana. Ny kaominina Andoharanofotsy moa no namindra toerana ny tobim-piantsonan’ny taxibe ao amin’ny zotra-pitaterana KOFITA. Noho ny fitohanana lavareny ateraky ny fijanonan’izy ireo eo amin’ny sisin-dalana eny Andoharanofotsy no voalaza fa antony mahatonga izany fanapahan-kevitry ny kaominina izany. Efa nisy moa ny fifampidinihina tsy niato teo amin’ny roa tonta ka anisan’ireny ny mpamily sy ny mpanampy azy ary ny Ben’ny tananan’Andoharanofotsy. Toraka izany koa ity tompon’andraikitra farany sy ny Ben’ny tananan’Ambohijanaka ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT