Fifamoivoizana

Fitarazohan’ny fanamboaran-dalana Mamofona ambadika politika


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Nanomboka ny alarobia, alakamisy ary zoma teo dia saika nahenoana fahatapahan-dalana avokoa ireo lalam-pirenena malaza eto Madagasikara. Anisan’ny tena naresaka iny tapany andrefana sy avaratra atsinanana ary atsinanan’ny nosy iny.

 
Ny lalam-pirenena faha-5 mihazo an’i Fenoarivo Atsinanana moa no fantatra ny zoma teo fa tapaka vokatry ny andro ratsy. Tsy isaky ny misy andro ratsy ihany anefa no nahenoana io fahatapahana io fa vao 2 volana lasa koa izay no tapaka ny lalana mampifandray an’i Behenjy sy Andranomanelatra amin’ny lalam-pirenena faha-7 vokatry ny rotsak’orana.  Be hatrany ireo faritra mitoka-monina na lasa mihiboka mihitsy rehefa sendra ny toy izao eto Madagasikara. Manampy trotraka koa ny fahatapahan-jiro sy rano amin’ny faritra sasany ka tonga amin’ilay tononkira hoe “ Ny jiro tsy mandeha, ny telefaonina tapaka.” Tamin’ny 20 taona lasa mahery satria rehefa tsy mandeha ny jiro dia tsy misy hamahanana vatoara-pinday. Iniana tsy amboarina sy kojaina araka ny tokony ho izy mihitsy ve ireo lalana mba tsy hahafahan’ireo mponina mamanta-baovao, indrindra, amin’izao akatoky ny fifidianana izao ? Inona no antony tsy hanatontosana araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana fa dia mionona hatrany amin’ny “bonbon voanjo”, araka ny filazan’ny tanora azy ? Sa ve satry aza hanahirana ny lalana mba tsy hahatafakatra ireo voka-pifidianana avy any amin’ny faritra leo sy tofoka izao fitondrana izao ? Mamofona ambadika politika.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT