Fifamoivoizana

Fitarainana momba ny mpitatitra Ny zotra 163 no tena voakasika


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Nampiantso ireo lehibena koperativa miasa eto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra voakasik’izany ny talata 18 jona teo toy ny filohan’ny UCTU, ny filohan’ny FAM notarihin-dRaveloson Landy, tale misahana ny fifamoivoizana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

 Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny rehetra ny fanatsarana hatrany ny sehatry ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe ka anisan’ireny ny fampitomboana ireo toerana fandraisana fitarainana ho an’ny mpanjifa. Efa ahitana izany ohatra  eny 67 ha sy Ankatso raha mbola vao hovelomina kosa ny eny Ambohijatovo. Teo ihany koa ny firesahana momba ny fanaovan’ny fiara “contre visite” eny Antsakaviro ho fiarovana ny ain’ny mpandeha. Nofaranana tamin’ny tatitra nataon’ny UCTU sy ny FMA izany ka fantatra fa fitarainana miisa 24 no voarain’izy ireo tao anatin’ny telo volana ho an’ireo koperativa tsy manara-dalàna ka ny zotra 163 no tena voakasika, indrindra noho ny nampijaliany ny mpandeha.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT