Fitantanana ny fifamoivoizana ao Fenoarivo

Tsara alain-tahaka ety an-tanàn-dehibe


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Manentana ireo izay taksibe tsy manatitra any amin’ny farany na «terminus»

fa mihodina na manary an-dalana ny zandarimaria mba hiantso azy ireo manoloana izany. Tsy maintsy soratana eo amin'ny takela-jotra na «plaque» ny toerana hiaingana sy hitodihana, ohatra : Anosy - CUR Vontovorona, ary tokana, araka ny fahazoan-dalana na «licence» ihany ny "plaque" tokony ho hita ao anaty taksibe iray, hoy hatrany ny Zandarimaria ao amin’ny kaominin’i Fenoarivo. Tsy ny ao Fenoarivo ihany moa no efa zary lalan-kitan-kisoan’ireo mpanao fitateram-bahoaka ity resaka miodina an-dalana sy tsy fanaterana hatrany amin’ny farany ity fa tena anjakan’izany koa aza ny eto an-drenivohitra. Isan’ny zotra tena mampijaly ireo mpandeha, ohatra, ny 154, izay mpampifandray an’Amboditsiry, Anosy, Vasacoss, hatrany Tanjombato ity, izay amin’ny 4 ora tolakandro dia efa mamonjy fodiana ny androatokony. Manao izany fanariana an-dalana izany koa anefa ireo zotra hafa rehefa manomboka amin’ny 5 ora no mankany eo. Heverina, noho izany, fa tsara alain-tahak’ireo mpitandro filaminana ety an-tanàn-dehibe ity fitantanana fifamoivoizana ao Fenoarivo ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT