Fitantanana ny ACM

Aleo olona manana traikefa no hapetraka eo


  • Alatsinainy 08 Desambra 2025

Aleo olona manana traikefa no hapetraka

ho tale jeneralin'ny Aviation civile de Madagascar hoy ny Plateforme Stratégique Opérationnelle Multi- angulaire nosoloin-dRakotomalala Sylvestre Joel tena. Tsy mety ny fandatsahana olona avy any ambony fotsiny hitana io andraikitra io hoy izy amin'ny maha-fitaratr'i Madagasikara ny orinasa. Raha vao olona tsy mahalala ny olana sedrain'ny ACM ihany koa no eo dia nambarany fa hangina tanteraka ilay raharaha Boeing 777 izay tokony mbola hisy tohiny. Toraka izany ny raharaha Madagascar Airlines izay mbola tsy voavaha. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ny PSOM indrindra ao anatin'izao fanavaozana izao mba handray andraikitra hentitra manoloana ny fametrahana ny tale jeneralin'ny ACM izay efa tokony handeha atsy ho atsy. Ho azy ireo manokana moa dia nomarihiny fa efa nisy ny fanaterana antontan-taratasy sy fifampiresahana nifanaovan'ireo mpikambana tamin'ny tompon'andraikitra koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Légende : Rakotomalala Sylvestre Joel, mpanamory fiaramanidina eo afovoan'ny mpikambana nanazava ny zava-misy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT