Fifamoivoizana

Fitakian’ny mpitatitra Mbola tsy voavaha ny olana


  • Alakamisy 28 Jona 2018

Fijaliana ho an’ny vahoaka ny fitokonana nataon’ny Vondron’ny mpitatitra an-tanàn-dehibe na ny UCTU omaly alarobia 27 jona 2018. Niasa kosa ny mpitatitra ao anatin'ny FMA na ny (Fitaterana Mendrika eto Antananarivo) ahitana ny 109, 163, 194, 192, 165, 143,164,…

 

Na izany aza dia nanahirana ny fitaterana satria voatery nandeha an-tongotra namonjy ny toeram-piasana ny maro. Nisy ny sakoroka noho ny fitakian’ny mpitatitra sasany ny hanehoana firaisankina. Teny Itaosy, ohatra, dia nisy ny famoahan’ny mpitokona ireo mpandeha tao anatin’ireo taksibe mbola niasa. Ho an’ny zotra mampitohy an’Ivato sy Ambohidratrimo amin’ny renivohitra, dia nisy ny fiandrasana nataon’ireo nanao fitokonana teny Vassacos, ka raikitra hatramin’ny fandrahonana handoro ny fiara. Teny amin’ny Fasan’ny karana dia nobahanana vatobe ny lalana ka ny zotra nasionaly sy ny fiara tsotra no afaka nandeha fa voabahana avokoa ny taksibe. Vita iny ny fitokonana fanairana fa ahoana kosa ny tohiny sy ny fivalian’ny fitakiana ? Raha hiverenana, ny hanomezana ny fanampiana tokony ho azy ireo no anton’ny fitakiana. Efa 11 volana no tsy nahazoana ny “subventions” tokony haloan’ny fanjakana ho sandan’ny tsy fampiakarana ny saran-dalana na nisy aza ny fisondrotan’ny vidin-tsolika. 300 000Ar isam-bolana isaky ny mpitatitra izy io. Raha ny fahitana azy aloha, dia sarotra ho an’ny fanjakana ny hamaha io olana io, fa ny fampanantenana no ho betsaka miaraka amin’ny vahaolana “tip top” fa tsy maharitra. 3,3 miliara ariary eo ny tokony ho volan’ny mpitatitra raha ny 11 volana, saingy tsy hay aloha na misy mibizina ny vola fa matoa misy ny fitakiana dia tokony hisy ny vola ao, ary efa betsaka ny fampanantenana. Miezaka miala amin’ny resaka fanampiana ara-bola ho an’ny orinasam-panjakana toy ny orinasa Jirama, ny Air Madagascar anefa ny fanjakana satria ny mpamatsy vola no manome baiko sy mandrisika. Manginy fotsiny ny fidirana tsikelikely amin’ny vidin-tsolika tena izy na ny “verité de prix”. Mazava izany fa fampandriana adrisa no mety ho betsaka, ka mety tsy hahafa-po ny an-daniny, ary ahiana ny hiverimberenan’ny fitokonana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT