Fifamoivoizana

Fisorohana ny lozam-pifamoivozana Tsy ankitsitsy ny fampiharana lalàna manomboka eto


  • Talata 12 Novambra 2019

Nitombo avo 2 heny ny lozam-pifamoivoizana nisy teto Madagasikara tamin’ity taona 2019 ity raha oharina ny taona 2018.

 

Mahatratra 279 izany raha 148 tamin’ny herintaona. Mbola mety mahery lavitra an’io tarehimarika misy io mihitsy aza ny loza nisy saingy tsy ampy ny famondronana ireo tarehimarika (base des données), hoy ny minisitry ny fitaterana, Joel Randriamandranto. Samy hafa daholo mantsy, hoy izy ny tarehimarika avy any amin’ny polisy sy ny zandary ary ireo orinasam-piantohana nandritra ny fivoriana niarahan’ny minisitera tamin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) sy ireo mpitandro ny filaminana. Ankoatra ny fijerena ireo tarehimarika dia namakafaka ireo tena antony mahatonga ny fiakaran’ny lozam-pifamoivozana izy ireo ary nandroso ny vahaolana mifanaraka amin’izany. Tapaka fa hisy ny kaomisiona hatsangana amin’ity herinandro ity hametraka ny asa rehetra hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Tsy ankitsitsy fa fampiharana lalàna avy hatrany no hatao, indrindra ny amin’ireo mpitondra moto sy taksiborosy, hoy ny minisitry ny fitaterana. Tsy ekena ny tsy fananan’ny mpitondra kodiaran-droa ny fahazoan-dalana izay miteraka tsy fahaizana ny lalàn’ny fifamoivoizana. Tsy hisy intsony koa ny « dona miverina » izay mandreraka ny mpamily ka mitera-doza hatrany. Ho mafy ihany koa ny fanaraha-maso amin’ny fanaovana visite technique sy ny fijerena ny isan’ny mpandeha ankoatra ny fanofanana ny mpamily sy ny ezaka fametrahana GPS amin’ireo fiara mpitatitra rehetra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT