Manipika mazava ny filankevitry ny governemanta notanterahana ny zoma 22 febroary lasa teo fa fampiatoana ny fisavana taratasina fiara eny amin’ny lalam-pirenena ihany no natao fa tsy hoe fampitsaharana azy tanteraka akory.
Fepetra noraisina io taorian’ny fanamarihana sy fanakianana maro be avy amin’ny mpampiasa lalana noho ny fisiana kolikoly. Manaja hatrany ny fahefan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fitenenana sy fampatsiahivana ny fanajana ny lalàna ho an’ireo mpitondra fiara ny fitondram-panjakana. Tsy maintsy misy kosa anefa ny fandinihana atao sy fepetra noraisina manoloana ny ahiahy tsy hihavanana. Anisan’izany ny fanentanana ny olom-pirenena ho sahy manambara ny fanararaotam-pahefana na fikasana haka vola ataon’ny zandary na polisy miandraikitra ny fandaminana ny fifamoivoizana. Hosaziana ihany koa ary mety hoentina eny anivon’ny fitsarana mihitsy aza ireo polisy na zandary voaporofo fa nanao ny tsy nety. Momba ny firongatry ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Tsaratanana kosa dia nanambara ny filankevitry ny governemanta fa efa nisy ny mpitandro ny filaminana fanampiny nalefa any an-toerana, nosoloina ireo tompon’andraikitra tsy nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asan’izy ireo , ary efa nisy ny takalon’aina avotra sy ny jiolahy 20 voasambotra izay nahitana zandary miisa 3.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.