Fifamoivoizana

Fisavana fiara eny an-dalana Tsy foana fa niantona, hoy ny pôlisim-pirenena


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

Na dia voaresaka tao anatin’ny filàn-kevitry ny ministra ny 29 febroary lasa teo ny fampiatoana ny asa fisavana lava hataon’ireo pôlisy misahana ny fifamoivoizana ireo fiara mandalo dia nambaran’ny kaomisera divizioneran’ny pôlisy Razafimanantena Herivelo Ralaimonjo Edouard fa tsy foana tanteraka izany fa niantona fotsiny.

 

 

 

 Afaka misintona ny taratasy fahazoan-dalan’ny mpamily ny pôlisy misahana ny fifamoivoizana raha ny nambarany fa ilay fisavana tsy amin’antoka kosa no tsy hatao intsony. Mba ho fanatevenana ny traikefan’ireo pôlisim-pirenena sy ho fanamafisana ny ady hatao amin’ny kolikoly ary dia  pôlisy miisa 120 no nomena fiofanana teny Antanimora nanomboka omaly. Haharitra 20 andro izany ka anisan’ny hanofanana azy ireo manokana  ireo karazana tsy fanarahan-dalàna mety hataon’ny fiara sy ny môtô ary ny bisikileta eny an-dalana rehetra eny.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT