Fifamoivoizana

Firoborobon’ny fahapotehan-dalana Kely sisa dia fiaramanidina no hany hahafaha-mifamoivoy


  • Zoma 03 Febroary 2023

Lalana vao avy namboarina nanomboka ny volana may 2022 lasa teo, nahazoana famatsiam-bola tamin’ny banky iraisampirenena kanefa dia fotaka tanteraka izany amin’izao fotoana izao,

raha ny fampitam-baovao voaray momba ny lalana mirefy 12km mampitohy an’I Soavinandriana Itasy sy ny kaominina ambanivohitr’I Mananasy. Sahirana ny moto vao tafavoaka eo, hoy ireo mponina. Ireo lalana tapaka sy lasan’ny rano hafa moa efa tsy hita intsony izay hilazana azy. Ny sasany efa ela nietezana. Ny sasany voalaza ho vao vita tamin’ny taon-dasa kanefa dia ireny niaraha-nahita fa nentin-driaka ireny. Ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ny RN6, ny RN1 Bis mampitohy an’I Tsiroanomandidy sy Morafenobe sy ireo hafa maro be, raha tsy hilaza afa-tsy ireo fahasimban-dalana nitranga tao anatin’izao fiandohan’ny taona izao vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso fotsiny. Ny eto Antananarivo moa ambara hatrany fa hanaovana teleferika na dia nilaza aza ny filoham-pirenena, farany teo, fa hajanona daholo ny foto-drafitrasa fa imasoana ny sosialim-bahoaka. Ho atao ihany indray, hono, izany ilay teleferika na dia mbola mitoetra koa aza ny olana goavana amin’ny resaka famatsiana herinaratra miaraka amin’ny JIRAMA. Sady anaty fonon-teny izay fa rehefa mijery ny firoborobon’ny fahapotehan-dalana eto Madagasikara dia lasa ihany ny sain’ny mpanara-baovao sasany hoe kely sisa dia fiaramanidina no hany hahafaha-mifamoivoy eto. Firy isan-jatontsika malagasy anefa izao no mety hahatakatra ny saran’izany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT