Fifamoivoizana

Firarazana - Ankazobe Nivadibadika ilay fiara, maty tsy tra-drano ny saofera


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Nisehoana lozam-pifamoivoizana fiara fitateram-bahoaka indray teo amin'ny l

 

 

alam-pirenena faha 4, Pk 126+100, toerana atao hoe Firarazana, fokontanin’i Kiva, kaominina sy distrika Ankazobe, faritra Analamanga, ny sabotsy teo tamin'ny 2 ora tolakandro teo, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny zandarimaria. Nivoaka ny lalana ilay fiara avy any Mahajanga nikasa hihazo an'Antananarivo ka nivadibadika. Namoy ny ainy ilay mpamily sady tompony. Olona miisa 3 hafa naratra mafy ka nentina notsaboina eny amin'ny CHRD Ankazobe. Simba ny fiara izay miasa ao amin'ny koperativa zotra nasionaly iray. Vao eo andalam-panorenana ny toerana fitoniana na “Aires de Service, de Sécurité et de Repos” ny fitondram-panjakana ankehitriny eo amin'ny RAMALA. Ilaina izany mba hialan-tsasatra raha sendra mahatsiaro reraka eny am-pamiliana sy toerana itobian'ireo Zandary miaro mitomandavana ny lalam-pirenena. Mialoha ny fitsanganan'izany anefa dia manentana antsika hanaja ny fepetran'ny fitaterana fa lahitokana ny aina, hoy hatrany ny fanamarihana. Aza mandeha mafy. Aoko ho ampy torimaso tsara sy tsy reraka ny mpamily fiara mihazo ny lalam-pirenena, hoy hatrany ny zandarimaria.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT